HODY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HODY





Ho avy aho, ry tiako, hody tsara indray
hametraka eto kosa 'rony ratra fahizay,
hitondra hafaliana ho moramora tonga,
hanalanala saona tsy hisy izay mironga.




Ho avy aho, ry tiako, hivazo zava-tsoa,
hanova ankehitriny ny sento tany aloha,
hamariparitra ny dia ho toky lalandava,
hamotika tanteraka 'reo ora tsy nisava.




Ho avy aho, ry tiako, ho olom-baovao,
handositra ny lasa nanadala tao ho ao,
hihirahira kosa izay tena fahombiazana,
tsy hisento ombieny ny efa lasa razana.




Ho avy aho, ry tiako, hilaza fa ny foko,
tsy nivadika mihitsy na tsy niova loko,
hamboraka indray fa ianao irery ihany
no nambabo ery raha misy manontany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1362 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119