HONTSA AHO, RY FIRENENA !... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HONTSA AHO, RY FIRENENA !...




Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao sahirana
ka ny masoko aza lena
fa tsy misy ny ifikirana.



Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao torovana
fa dia trosa no babena,
fahoriana no lalovana.



Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao zimbaina ;
izao dia tsy azo ekena
raha toa ka tantaraina.



Hontsa aho, ry firenena,
mahita anao voaozona
kanefa aho manantena
fa izay hihozongozona.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
549 1
Mpakafy: Ralovarj
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122