HOY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY





Hoy ny andro lasa :
« Hadinoy tanteraka aho
raha misy tetik'asa
hitondra ny aim-baovao. »




Hoy ny ratra maro :
« Poteho tanteraka aho
ho lavitry ny tsiaro
amin'izay rehetra atao. »




Hoy 'reo ranomaso :
« Fadio tanteraka aho
raha mila torimaso
hampitony lava izao. »




Hoy ny sedra mafy :
« Ekeo tanteraka aho
raha maniry hitafy
ny fitahiana ao ho ao. »




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
641 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/11/2021 06:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236