IANAO FOTSINY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO FOTSINY



Ianao fotsiny no tsy eo
dia efa banga ny fotoana
sy tsy haiko izay haneho
'rony angola mamy foana.




Ianao fotsiny no tsy re
dia efa sento no misesy
amin'izay rehetra aleha
sy mila ho olon-dresy !




Ianao fotsiny no tsy ta
hamalifaly ny orantsika
dia efa mizaka ny fanahy
sy alahelo no azo adika.




Ianao fotsiny no tsy to
amin'ny resaka ifanaovana
dia efa mitaky izay manjo
sy very tany nilalaovana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1113 1
Mpakafy: Masoandro Mainty
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012