You are here: home > Vetso

IANAO NO ILAIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



IANAO NO ILAIKO





Ianao no ilaiko
amin'ny fiainana,
mbola antenaiko
rehefa itarainana.




Ianao no ilaiko
amin'ny tanjona
raha toa lazaiko
fa tsy mpianjona.




Ianao no ilaiko
amin'ny sarotra
rehefa tsy haiko
ny hiady varotra.




Ianao no ilaiko
amin'ny diavina ;
tsarovy, lalaiko,
ka aza lavina !...




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha