IHAZAKAZAHANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IHAZAKAZAHANAIhazakazahana
ny hanankarena,
ivavavavahana,
atao fanekena.
Ihazakazahana
rehefa fiadanana
ka avakavahana
'rony tsy manana.
Ihazakazahana
ny, hoe, fahefana
ka hita iarahana,
na 'reo norarana.
Ihazakazahana
ny ho fanta-daza
ka avy mibahana,
na tsy tsara aza.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
fananarana - Fiaraha-monina - Tanindrazana - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
havotraniaina.1