IKALA HAFA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IKALA HAFA




Zanak'Ikala hafa
dia tonga sahafa
tamin'izay naleha
taona maro be !




Zanak'Ikala hafa
dia navela hijafa
fa nanana otripo
tany sy tsy lo.




Zanak'Ikala hafa
dia tsy tia nitafa
fa ny latsa sy fosa
no hay ka nisosa.




Zanak'Ikala hafa
dia tsy mpamafa
ny sento nanadala
ho an-jorom-bala.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1307 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117