ILAY TAKARIVANTSIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TAKARIVANTSIKA



Takariva mahamanina, takariva nangatsiaka
takariva tsisy kintana ilay takarivantsika ;
ny rivotra mitsoka, eny, ny miparitaka ny feo
f'ianao irery sisa anio no indro mba tsy teo.



Nofinofiko eto indray ary tadidiko tsy nahy
'lay oroka imolotra toy ny oroka am-panahy ;
tsapako eto indray ilay ianao mba teo an-tratrako
ka nilazako mora hoe : " Ianao no mba malalako ! "



'Lay hafanana mamy mba niainana mangina,
zany hasambarana teo akaikin'ny olon-tiana,
tsaroana lalandava sy namelombelona hatrany
'lay foko tia anao, na dia ory sy tomany...



Takariva fohy kanefa sarotra hadinoina,
takariva kanto ka toa sarotra hovonoina ;
tena tsy haiko ambara, tena tsy haiko adika
fa mbola hafa ihany ilay takarivantsika.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1255 0
Commentaires
tojolalainamickaela ( 20/05/2016 17:11)
tena marina e
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0229