Impiry ?! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry aho no ory
fa tsy hita ianao nitondra tory ?

Impiry aho no kivy
fa tsy hita ianao efa ho in-tsivy ?

Impiry aho no irery
fa tsy hita ianao nitondra hery ?

Impiry aho no resy
fa tsy hita ianao nisesisesy ?

Impiry aho no niandry
fa tsy hita ianao hahatafandry ?

Impiry aho no nijaly
fa tsy hita ianao mba nampifaly ?

Impiry aho no niaritra
fa tsy hita ianao mba nahafinaritra ?

Impiry aho no narary
fa tsy hita ianao mbola hoe nirary ?

Impiry aho no niteby
fa tsy hita ianao toa nisomeby ?


Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Alahelo - Alahelo
1437 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 03/03/2005 00:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101