INDRAY LOHATAONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRAY LOHATAONA





Indray lohataona
ny fitiavako anao ;
aoka tsy hihaona
ka ny lasa, fafao !




Indray lohataona
no efa niarahana,
anio zary moana
tsy nivavahana.




Indray lohataona
ny fiadanantsika
ka any iny taona
nitsirian'ny pika.




Indray lohataona
ilay nandihizana ;
tsy manoloana
ka tsy tohizana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
668 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113