INDRISY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY




Raha ny tiana hatramin’izay no niova sy nisintaka
ka nifosa tsy nampino sy nanjary nahay namitaka
dia aleoko re mangina tsy hamaly avy izay lazainy
fa ho tantaran-dranomaso hipetraka ao an-tsainy.




Raha ny tiana hatramin’izay no lasa hoe : fahavalo
ka nampisento izany foko teny ho eny tsy hikalo,
dia aleoko re mandeha tsy hahatsiaro na hipitra
fa ny tena ranomasiny, hipololotra sy tsy ho ritra.




Raha ny tiana hatramin’izay no namoaka teny ratsy
sy tsy azo narahabaina vao nifanenana tatsy ho atsy,
dia aleoko re mionona tsy hitady azy intsony
toy izay hifankahita ka hahazo ireo lonjony.




Raha ny tiana hatramin’izay no toa niavona tokoa
ka mbola tsapa ho nankarary sy nandrebireby koa,
dia aleoko re mikopaka, tsy hamaly ratsy akory
fa hotadiaviny ihany aho rehefa iny ka ho ory.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo
1404 1
Fans: Zozoro
Commentaires
ralaxa ( 01/05/2009 20:36)
Misaotra Jao ah. Mahafinaritra ny asanao. Mampahery hatrany amin'ny asa fanoratana.
Riso Lalason
3004 ( 01/05/2009 22:01)
Misaotra anao, Riso Lalason ! Manana adiresy mailaka ve ianao ? Andefaso aho. JAO
felandefona ( 03/07/2009 08:37)
tsara be le izy ...tohizo ny aingampanahy
benasy ( 03/07/2009 09:25)
Io ange ilay hoe : Raha ny rano nantsakaina mantsy ,hono,
No mandatsaka ny aina sy namono....
Tsy ho kivy ve ny saina
Diso zava-nantenaina.....
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 29/04/2009 23:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012