INONA HOE ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA HOE ?



Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ?
Aleoko mangina fa dia ny peniko
mitarika hanoratra zava-tsy zaka,
mampitorovana sy toa lalim-paka.



Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ?
Halako izany fa tena tsy afeniko !
Tsoriko izany fa tsy hita nanampy
fony nisento sy te hiantsampy.



Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ?
Moa tsy henatra sy tena neniko ?
Aleoko misintaka fa nandrendrika,
aleoko mikopaka fa tsy mendrika.



Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ?
Sahinao ve no mandiso ny teniko ?
Raha zanakao, nahoana latsaina ?
Nahoana ny ratsy no notanisaina ?



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1525 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3363