You are here: home > Vetso

INONA LAVA ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





INONA LAVA ?





Inona lava
'ty mamelively ?
Jereo ny tava
fa tsy toy ny anjely.




Inona lava
'ty manambany ?
Maro ny rava
ka andosirako any.




Inona lava
'ty manesoeso ?
Tsy mazava
ka ny vita, refeso !




Inona lava
'ty tsy mamoha ?
Ireny no vava
ka tsy hahita soa.




Fredy JAOFERA