INY DADAKO INY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY DADAKO INY





Iny dadako iny
no hery ato anaty
manilo ny fahiny
hipody ka soraty.




Iny dadako iny
no toky ombieny,
maha mpivahiny
rehefa reraka eny.




Iny dadako iny
no tsiky fahazaza
mbola ankehitriny
tsy foy sy sahaza.




Iny dadako iny
no andry teo irery,
nanoro tsisy tsiny,
tsy nahay namery.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/02/2023 08:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258