You are here: home > Vetso

IRENY VE NO LOHA ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




IRENY VE NO LOHA ?





Ireny ve no loha
dia mitady fitiavana ?
Mba mitomboa
raha mbola havana.




Ireny ve no loha
dia mila ny anarako ?
Mba arakao moa
no naneso ny tsarako ?




Ireny ve no loha
dia tokony hohajaina ?
Toa mampandoa
raha vao ao an-tsaina.




Ireny ve no loha
dia tokony hiarahana ?
Ra' tsy inona koa !
Aleoko re ihatahana...




Fredy JAOFERA