IREO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IREO



Ireo izay nitady
ny haharatsy ny anjarako,
jereo fa mandady
sy mandom-baravarako.



Ireo izay nisaina
ny tsy hanampy mihitsy,
jereo fa nangaina
sy toa tonga nihavitsy.



Ireo izay naniry
ny hanapotika hatrany,
jereo fa mikiry
ka nilaozako izany.



Ireo izay nanao
ny mba tsy hahatafita,
jereo fa nandao
sy toa tsisy hitahita.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
881 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122