ISAKY NY, HOE, MBA TSAROAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAKY NY, HOE, MBA TSAROAKO





Isaky ny, hoe, mba tsaroako
'reo vava nandratra ny foko
dia kotsa ho azy avy hatrany
ny maso mijery any ho any.




Isaky ny, hoe, mba tsaroako
'reo latsa natao tsy hisoko
dia sento mila tsy ho zaka
no miorina sy lalim-paka.




Isaky ny, hoe, mba tsaroako
ny very sy izay niova loko
dia ory tsy fantatro intsony
ny fiainana no tsy mitony.




Isaky ny, hoe, mba tsaroako
ny sedra sy 'lay vokovoko
dia raketo fa toa hafahafa
ny andro no be jafajafa.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1185 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115