ISAN'ANDRO AHO... (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAN'ANDRO AHO....Isan'andro aho
dia mba malahelo
ka teneniko anao
ho tsiambaratelo.
Isan'andro aho
dia manina foana
ka izany tsy tsaho
sy tsy misavoana.
Isan'andro aho
dia maniry ho any
fa mifamahofaho
ny lasa sy tomany.
Isan'andro aho
dia mila ao am-po
ny fitia tsotr'izao
hiala itony manjo
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana