IZA NO ILAZAKO ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA NO ILAZAKO ?




Iza no ilazako fa rehefa fahoriana,
tsy manana aho iray azo ianteherana
ka mionona irery sy azom-panaviana
toy ny olona tsy manam-piheverana ?




Iza no ilazako fa rehefa adin-tsaina,
tsy manana aho iray azo amosahana
ka mampiteny ao anaty sento maina
toy ny hoe tsy manana amborahana ?




Iza no ilazako fa rehefa hasambarana,
tsy manana aho hiara-tsambatra amiko
ka mibita-tena no manjary fahazarana,
na dia tsy izay no mbola zava-mamiko ?




Iza no ilazako fa rehefa fahombiazana,
tsy manana aho iray tonga miarahaba
fa mihiram-po ery ireo efa lasa razana
ao anaty alahelo tsy dia misy tabataba ?





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
812 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1491