IZA NO NAKA NY TOERAKO ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA NO NAKA NY TOERAKO ?




Iza no naka ny toerako
ao am-ponao, ry tiako,
fa alahelo tsy noferako
no mamely sy ijaliako ?



Iza no naka ny toerako
mahasambatra ny ora
fa marobe ny fitserako
mahamaina itony rora ?



Iza no naka ny toerako
mampivazo lalandava ?
Asa re fa ny fiheverako
mampanjombon-tava ?



Iza no naka ny toerako
nandrava ny amintsika ?
Eto ihany itony derako
mainka mahasariaka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
499 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115