IZAY MAHAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY MAHAY




Izay mahay mifosa
fa tsy mitia,
tsy namako kosa
no hikodia !



Izay mahay manidy
fa tsy mamoha,
mbola hangidihigy
rehefa voa.



Izay mahay manimba
fa tsy miaro
dia mbola hikorimba
vao atsaharo.



Izay mahay mitsara
fa tsy misaina,
ho entin’ny anjara
hiferinaina !



Izay mahay mandainga
fa tsy mijoro
tsy mahavadi-bainga
dia io mikoro.




Izay mahay mandroaka
fa tsy mitsetra,
tsy mahatafavoaka
ny tarigetra !


.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
989 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 03/08/2013 23:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147