You are here: home > Vetso

IZAY MANGINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



IZAY MANGINA





Izay mangina,
volamena,
na rahoviana
ka hosena !




Izay mangina,
tsy ho resy,
na haratsiana
no misesy.




Izay mangina,
hendry be,
na habibiana
'zay aleha.




Izay mangina,
hosoavina,
na fitsitsiana
no diavina.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 07/02/2020
Mpamangy : 293
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO