IZY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY




Tsy ianao no tiako hananana
rehefa tonga ireo fiadanana ;
tsy ianao no tiako hotiavina
fa avy hatrany dia ho lavina.



Tsy ianao no tiako hiarahana
rehefa soa izay hoe mibahana ;
Tsy ianao no tiako hantsoina
rehefa ho mamy ireo kaloina ;



Tsy ianao no tiako hibaiko,
na rahoviana fa tsy saiko ;
tsy ianao no tiako hanohana
rehefa mety izay hogohana.




Tsy ianao no tiako hatonina
rehefa saotra no hotononina ;
tsy ianao no tiako ho hita
rehefa indrindra fa tafita.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo - Fitiavana
940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/01/2013 20:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245