You are here: home > Vetso

IZY DIA NIHEVITRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







IZY DIA NIHEVITRA





Izy dia nihevitra
fa itoeram-pahasoavana
ka indro tezitra
nahita ny ahy goavana !




Izy dia nihevitra
fa nitobasam-pitahiana
ka jereo ny efitra
fa tsy ananam-pitoniana.




Izy dia nihevitra
fa be vola aman-karena
ka tsy nilefitra
nahita ny ahy tsy nihena.




Izy dia nihevitra
fa ilay hahavita zavatra
matoa re tefitra
sy nanambany fatratra.




Fredy JAOFERA