KELY NY FINOAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KELY NY FINOAKO




Kely ny finoako
milaza fa fitiavana
ny vava sesehena ;
hery izay nisoko
no nahatongavana
fa tsy fahendrena.



Kely ny finoako
mitory fa dia mety
ny latsalatsa maro ;
aoka re ny foko
hisento vetivety,
na tsy be mpiaro.



Kely ny finoako
ra'izay hahatafita
no mba tao an-tsainy
ka efa vokovoko
ny tsy hifankahita
fa tsy mba lalainy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1161 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0168