KELY TSARA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KELY TSARA





'Zay kely tsara taminy
no ahatsiarovako azy,
na hita fa tsy maminy
ka nijaly toy ny sazy.




'Zay kely tsara taminy
no ventesiko eto izany,
na dia tsy voalaminy
'reo sento sy tomany.




'Zay kely tsara taminy
no nanetsika ny tanako,
na hafa itony daminy
sy nofy ny fiadanako.




'Zay kely tsara taminy
no namoha ny anarany,
na tsy teo 'reo raminy
no sentoko eto farany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1123 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121