You are here: home > Vetso

KIBO MANINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


KIBO MANINA





Kibo manina,
tsy mba noana,
na feno hanina
ny manoloana.




Kibo manina,
lasam-borona
vao tazanina
eny amorona.




Kibo manina,
misento irery
vao seranina,
voan'ny sery.




Kibo manina,
ory hafahafa
ka valalanina
rehefa mitafa.




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha