KIVY NY MPONINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIVY NY MPONINA





Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny jiro ;
izao tsy foronina,
ny aty ange mba idiro.




Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny rano ;
tsy hay tononina
ny jaly misy isan-trano.




Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny tsaky ;
sarotra angonina
'zay tena ilaina malaky.




Kivy ny mponina
fa tapaka lava ny vola ;
'reo efa nodonina,
tsy taitra fa dia midola.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
808 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3751