KRISMASY 1965 (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KRISMASY 1965





Tamin'izay fotoana izay,
asa loatra ity nitaratra
fa nisy aloka anankiray
nampipoaka ny varatra ?




Dia nikimpy teo tsy nahy
'lay sarobidy nantenaiko
ka 'zany foko sy fanahy,
sady ory no tsy haiko.




Dia alahelo no nitaona
'ty mba datim-pifaliana
ka ny foko no nisaona
tao anaty fahakiviana.




Veloma teo ilay reny
nandrasako ny hikalo
sy hanilo foana teny
ka ny ora no nimalo.




Anarany krismasy,
ry olona eto an-tany,
ka zaza nangasihasy
no nikiaka nitomany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1322 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0157