You are here: home > Vetso

LAINGA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

LAINGA




Lainga tanteraka no efa voaporofo
ny tena fitiavako raha toa ka hiofo,
ny faniriako ka hoe : fisarahana
fa mbola ianao no ankasitrahana.
Resaka adala izay hampidoboka
fa mainka aza hampidoroboka
ny efa dina amin'ny tsara kokoa,
na aiza na aiza rehefa mahasoa,
n'oviana n'oviana ka mahazo laka
'tony fitiavana mba lalim-paka.




Fredy JAOFERA
'

Hevitra mandeha

Oliviaodette (29/11/2019 20:50:09)

Manepotra ny lainga
Fa raha fitia feno lainga toa tsy mety

Hametraka hevitra

Midira aloha