LANITR'I GASIKARA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
LANITR'I GASIKARA
Ny Lanitr'i Gasikara
no indro manangasanga
ka falifaly no azo ambara
fa io sahady ilay Mahajanga.
Maika ery ny diako izany
ny ho tody soa eny Ivato
sy hanitsaka indray ny tany
mamiko loatra no tsy niato.
Tsy andry ery ny hifankahita
amin'ireo havana manontolo
fa ela ihany no tany am-pita
ka nahamanina ahy daholo.
Dodona ery ny hihaona indray
amin'ireo sakaiza mba tsy foy
toa nahafinaritra hatramin'izay
sy azo antoka ange re, roy !
Tsy andry ery ny hoe handalo
amin'izay toerana mamy foana,
nahatsiarovana fa nisy kalo
tsy nangina fa mody moana !
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Fifaliana, Tanindrazana
Hevitra mandeha
Mysento (10/09/2009 10:50:41)
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/09/2009
Mpamangy : 1093
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALAHIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO
MIREMBY
VOLA NY FOTOANA
ANDOSIRO
NY POLITIKAN'NY TROSA
NY TENY MISY FANAHY
NY OTA