You are here: home > Vetso

LASA NY VORONA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





LASA NY VORONA





Lasa ny vorona ka mihenahena
fa tsy nikarakara hatramin'izay ;
izao no mihatra fa tsy nojerena
taona maro raha tsy mifandray.




Lasa ny vorona ka migogogogo
fa azon'ny nenina irery mangina ;
ny volo aza moa zara fa mihogo
mikorontana lava tsy dia niniana.




Lasa ny vorona ka mihanahana
fa tsy nahazo fitiavana marina,
nikopaka teo fa dia tsy tamana,
nisinda tokoa fa tsy te hivarina.




Lasa ny vorona ka miadaladala
fa tsy eo intsony ity nambanina,
ovao ny fiaina fa ny mankahala
manimba ho azy 'reo fitahiana.




Fredy JAOFERA




Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 02/12/2021
Mpamangy : 325
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MPAMAFA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY
ASANDRATRA
VALALA VOATANGO
MAHASOA