LATSA-TOMANY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LATSA-TOMANYLatsa-tomany
fa any ho any
ny olo-malala
tsy mahalala.
Latsa-tomany
fa tonga ihany
iny ratrako iny
namely fahiny.
Latsa-tomany
fa eto hatrany
ireo nofy ratsy
tsy nisy vatsy.
Latsa-tomany
fa nanambany
ny toky nilaina
sy nantenaina.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
