LAVA NY LALANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVA NY LALANALava ny lalana
vao tonga teto
fa tsy nahalana
ireo jaly, raketo.
Lava ny lalana
vao tojo ny soa,
nihalangalana
ny toky taloha.
Lava ny lalana
vao tretrika ery,
very ny akalana
rehefa nandihy.
Lava ny lalana
vao be hirahira,
tao no nivalana
fa dia sovenira.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
