LAZAO AHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO AHY Lazao ahy nahoana
no very ny amintsika
fa ny eto manoloana,
lany hira sy mozika !
Lazao ahy nahoana
no navela ny taloha
fa anio; lasa moana
ny toky tsy mba roa.
Lazao ahy nahoana
no nialana ny voady
fa efa antaranoana
no tanjona nianjady.
Lazao ahy nahoana
no nasolo ny nilaiko
fa ny alahelo foana
no misisika, ry aiko.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
