You are here: home > Vetso

MAHAFINARITRA NY TANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MAHAFINARITRA NY TANY





Mahafinaritra ny tany
nodiovin'ny fitiavana
fa na ny mpanambany,
manetry tena goavana.




Mahafinaritra ny tany
tsy itoeram-pialonana
fa rindra tsy hita lany
tsy mba hay takonana.




Mahafinaritra ny tany
tsy mivoy ny disadisa
fa mamy ery ny akany
toy ny misy paradisa.




Mahafinaritra ny tany
miaina fahamarinana
fa na tsy mpaminany,
mitaky fanambinana.




Fredy JAOFERA