MAHANTRA AMBONY HARENA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
MAHANTRA AMBONY HARENA
Mahantra ambony harena
ny vahoaka malagasy
ka dia ory tsy hay fefena,
tsapa ho mangasihasy.
Mahantra ambony harena
ny mponina rehetra
ka miaina lava faharesena
sy kivy manjoretra.
Mahantra ambony harena
nefa tany feno soa
ka ny kiakam-pamonjena,
any an'efitra tokoa.
Mahantra ambony harena
nefa nosy ngeza be
ka na rehareham-pirenena,
sahirana izy angeĀ !
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/02/2022
Mpamangy : 212
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ALEO KOKOAHONTSA LAVA
TSY AMINAO
ANDRAIKITRA
MIAFINA
MANOVA TENY
TOY NY TANTELY
LELA
TENY KELY
HAZO NGEZA