You are here: home > Vetso

MAHAVERY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MAHAVERY





Ny lainga mahavery ny marina
ka tandrovy tsy hiorina etoana ;
ny tiana aloha no mba anarina
fa izay dia mivoy fandrosoana.




Ny lainga mahavery ny marina
ka halaviro ny lalan-kombana
sao midofotra ka hampivarina
any amin'izay misy hadalana.




Ny lainga mahavery ny marina
ka poteho hipoiram-piadanana
raha misy ny tiana hofantarina
'reo lamina tokony hananana.




Ny lainga mahavery ny marina
ka aleveno tsy haharatsy anjara
fa hampirindra rehefa nozarina
hahalala ery ny soa sy ny tsara.




Fredy JAOFERA