You are here: home > Vetso

MAKARAKARA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MAKARAKARA





Ny azo amin'ny makarakara,
mivoaka amin'ny kiloadoaka,
na mamirapiratra sy tsara,
ieboeboana amin'ny toaka.




Ny azo amin'ny makarakara
dia tsy maharitra ange, zareo,
fa mbola halatra azo ambara
mifono alahelo toa mankaleo.




Ny azo amin'ny makarakara
dia tsy mahatafita lalandava
fa tsy maintsy ho very anjara
na indro simba na mba rava.




Ny azo amin'ny makarakara,
tsy mahavanona eto an-tany
fa raha tsy ho ratsy fiafara
dia hikororosy sy hitomany.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha