MANADALA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANADALA



Very va re 'rony tsiky niarahana :
oroka, sangy ary dihy nisarahana ?
Any va re sa ny lasa dia lasa,
Hanova ny ela ho tsara fikasa ?
Iva fikalo izao foko misento
Reraka kely ka indro mba ento !
Aza miteny fa ny tena fitia
No irariana mbola ho doria...
Aoka izay re fa toa manadala !



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1174 0
Commentaires
Zozoro ( 19/01/2013 12:30)
Dinika mangina...tsikitsiky, tambitamby
Angolangonan-drindra anie no ho natao hanan'amby
Ny sentosento avelao, atsaharo ny tomany
Mitrakaha, miandrandraha fa ny fitiavany ho anao ihany.

Ampahanginana izany.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121