You are here: home > Vetso

MANAN-JO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MANAN-JO





Manan-jo hitia
ito fo maratra,
na tsy mandia
ny efa nihatra.




Manan-jo hifaly,
na voafosa lava,
na navela hijaly
teny lalandava.




Manan-jo hivazo,
na voasedra ery,
na tsy voninkazo
no feno hatraty.




Manan-jo hitory,
na singan-drery,
na mbola oriory
toa rako-pery !




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha