You are here: home > Vetso

MANANA AINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MANANA AINA





Manana aina
ny tantarany
raha hajaina
ny anarany.




Manana aina
ny hafaliany
raha hiraina
ankehitriny.




Manana aina
ny alahelony
raha jinjaina
ny avelony !




Manana aina
ny fanginany
ka antenaina
fanambinany.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha