MANATONA NY FARANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANATONA NY FARANY





Manatona ny farany,
mipoitra ny anarany
handravarava anao,
n'inona n'inona atao.




Manatona ny farany,
mitohy ny tantarany
nokosehina tsy hisy,
nahory ahy, indrisy !




Manatona ny farany,
manazava ny tarany
hiseho ny fiadanana
izay ela nosakanana.




Manatona ny farany,
ho velona ny tsarany
hamono anao etoana
tsy hanam-piravoana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
166 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0105