MANDEHANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEHANA




Mandehana
am-pinoana
amin'izay kasaina
dia hazavana
no hirosoana
fa tsy hangaina !



Mandehana
am-pitiavana
amin'izay andraikitra
dia higagana
fa handoavana
harena be miraikitra.



Mandehana
am-pifaliana
amin'izay tarigetra
dia hofafana
am-pitoniana
ireo alahelo nitoetra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
274 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1853