MANDEHANA, RY VOROMAILALA ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEHANA, RY VOROMAILALA !





Mandehana, ry voromailala,
mankany amin'ilay olo-malala,
ka bitsibitsiho fa tsy matory
ny aty ange no sady oriory !




Mandehana, ry voromailala,
faingàna fa aza misalasala ;
mitady azy loatra ny saina,
miandry eto toa savolaina.




Mandehana, ry voromailala,
iny ilay tsy manan-tsahala
ivavahako amin'ny feo iva
rehefa tojo ilay takariva.




Mandehana, ry voromailala,
ka aoka re tsy hisy hahalala
'zao iraka mitady fitiavana
nampipoitra avy ny avana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
573 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/06/2020 22:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102