MANDRITRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDRITRA




Mandritra ny androm-piainako
dia ho tia anao hatrany ny foko,
ho lasa anyfoana ny fisainako,
na indraindray aza re mitoloko.



Mandritra ny androm-piainako
dia eritreretiko ny tantarantsika,
na, indrisy, tonga fanaintainako
anio ka tomany no mandriaka.



Mandritra ny androm-piainako
dia tsaroako ny sedra nanjohy
tsy ataoko akory fahalainako
fa namefy ahy teny ka tsy foy.



Mandritra ny androm-piainako
dia tehiriziko irery ny efa voady
izay taloha ange ka fitarainako
fa ankehitriny dia toky sahady.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
45 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/02/2025 18:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6667