MANJOKAIKY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANJOKAIKY





Tsy eto akaiky
ilay olon-tiana
ka manjokaiky
tojo fanaviana.




Tsisy manaiky
hanova ny ora
ka manjokaiky
sy miasa mora.




Tsy tia miraiky
ny tomaniko re
ka manjokaiky
ny hirako ange.




Toa mampiaiky
ny alahelo misy
ka manjokaiky
eto re, indrisy !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
8 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.025