MANORATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANORATRA





Manoratra aho
rehefa misy tomany
mamoha ny nandao
efa mba any ho any.




Manoratra aho
rehefa misy manery
fa ny ao anatiko ao
dia kikisan'ny fery.




Manoratra aho
rehefa misy mibaiko
fa mbola mifamaho
ny sedra nozakaiko.




Manoratra aho
rehefa poety ny foko
na misento raha vao
misy alahelo misoko.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
890 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 06/05/2020 21:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124