MARARY NY MARINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARARY NY MARINA





Marary ny Marina
ka avelako hangina
raha toa tsy itarina
ny fangirifiriana.




Marary ny Marina
ka matory ao anaty 
raha toa tsy velarina
fa saika nahafaty.




Marary ny Marina
ka dia mampahosa
raha toa amboarina
ny eto mba hisosa.




Marary ny Marina
ka aoka any ho any
fa maintin'ny harina
sy mampitomany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1075 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133