You are here: home > Vetso

MARARY NY MITIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MARARY NY MITIA





Marary ny mitia
rehefa tsy hay izany,
ny hoe : mitomania
no lasa avy hatrany.




Marary ny mitia
rehefa mba maratra
tsy mitaky mitsikia
ka mafy ny mihatra.




Marary ny mitia
rehefa tsy azo lava,
tsy mitory matoria
ka maloka ny tava.




Marary ny mitia
rehefa tao ny fitaka,
tsy niteny matokia
ka saika nisaritaka.




Fredy JAOFERA